Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 27:23-27 Malagasy Bible (MG1865)

23. Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;

24. Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?

25. Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,

26. Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;

27. Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 27