Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 26:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.

14. Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,

15. Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.

16. Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.

17. Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.

18. Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,

19. Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?

20. Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.

21. Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 26