Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 25:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,

10. Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.

11. Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.

12. Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.

13. Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.

14. Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.

15. Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.

16. Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 25