Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 25:10-21 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.

11. Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.

12. Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.

13. Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.

14. Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.

15. Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.

16. Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.

17. Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.

18. Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.

19. Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.

20. Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.

21. Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 25