Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 24:19-33 Malagasy Bible (MG1865)

19. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;

20. Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.

21. Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;

22. Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny?

23. Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.

24. Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;

25. Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.

26. Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.

27. Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.

28. Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?

29. Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.

30. Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;

31. Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.

32. Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.

33. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 24