Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 23:9-19 Malagasy Bible (MG1865)

9. Aza miteny amin' ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.

10. Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;

11. Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.

12. Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.

13. Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;

14. Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.

15. Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;

16. Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.

17. Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;

18. Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

19. Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 23