Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 23:5-20 Malagasy Bible (MG1865)

5. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.

6. Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;

7. Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.

8. Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.

9. Aza miteny amin' ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.

10. Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;

11. Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.

12. Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.

13. Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;

14. Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.

15. Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;

16. Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.

17. Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;

18. Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

19. Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.

20. Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 23