Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 23:27-35 Malagasy Bible (MG1865)

27. Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;

28. Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.

29. An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena?

30. An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.

31. Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;

32. Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.

33. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.

34. Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.

35. Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 23