Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 23:20-27 Malagasy Bible (MG1865)

20. Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;

21. Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.

22. Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.

23. Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.

24. Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.

25. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.

26. Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;

27. Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 23