Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 22:14-27 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.

15. Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.

16. Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.

17. Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;

18. Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.

19. Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.

20. Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,

21. Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?

22. Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;

23. Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.

24. Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,

25. Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.

26. Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;

27. Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 22