Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 22:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.

12. Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.

13. Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.

14. Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.

15. Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.

16. Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.

17. Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;

18. Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.

19. Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 22