Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 21:24-31 Malagasy Bible (MG1865)

24. Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.

25. Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;

26. Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.

27. Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.

28. Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.

29. Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.

30. Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.

31. Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 21