Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 21:15-29 Malagasy Bible (MG1865)

15. Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.

16. Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.

17. Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.

18. Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.

19. Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.

20. Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.

21. Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.

22. Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.

23. Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.

24. Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.

25. Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;

26. Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.

27. Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.

28. Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.

29. Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 21