Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 21:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.

2. Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.

3. Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.

4. Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota.

5. Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.

6. Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.

7. Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.

8. Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.

9. Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.

10. Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.

11. Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.

12. Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.

13. Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 21