Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 20:5-20 Malagasy Bible (MG1865)

5. Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,

6. Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?

7. Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.

8. Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.

9. Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?

10. Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.

11. Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.

12. Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.

13. Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.

14. Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.

15. Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.

16. Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.

17. Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.

18. Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.

19. Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.

20. Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 20