Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 20:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.

2. Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,

3. Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.

4. Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.

5. Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,

6. Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 20