Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 2:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;

8. Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.

9. Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.

10. Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,

11. Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,

12. Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,

13. Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,

14. Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,

15. Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;

16. Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,

17. Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 2