Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 2:14-22 Malagasy Bible (MG1865)

14. Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,

15. Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;

16. Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,

17. Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.

18. Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.

19. Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,

20. Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.

21. Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;

22. Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 2