Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 19:21-28 Malagasy Bible (MG1865)

21. Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.

22. Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.

23. Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.

24. Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.

25. Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.

26. Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.

27. Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana.

28. Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 19