Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 19:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.

2. Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.

3. Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.

4. Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.

5. Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.

6. Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.

7. Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy.

8. Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.

9. Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.

10. Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.

11. Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.

12. Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.

13. Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.

14. Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.

15. Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.

16. Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 19