Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 18:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.

3. Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.

4. Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,

5. Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.

6. Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.

7. Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.

8. Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.

9. Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 18