Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 17:7-14 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.

8. Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.

9. Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.

10. Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.

11. Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.

12. Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.

13. Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.

14. Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 17