Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 16:25-33 Malagasy Bible (MG1865)

25. Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.

26. Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.

27. Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.

28. Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.

29. Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.

30. Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.

31. Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.

32. Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.

33. Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 16