Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 15:10-19 Malagasy Bible (MG1865)

10. Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.

11. Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona!

12. Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.

13. Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.

14. Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.

15. Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.

16. Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.

17. Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.

18. Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.

19. Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 15