Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 15:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.

2. Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.

3. Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.

4. Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.

5. Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.

6. Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.

7. Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.

8. Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.

9. Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 15