31. Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
32. Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.
33. Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
34. Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
35. Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.