Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 14:14-31 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.

15. Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.

16. Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.

17. Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.

18. Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.

19. Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.

20. Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.

21. Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!

22. Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara.

23. Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.

24. Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.

25. Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.

26. Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.

27. Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.

28. Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.

29. Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.

30. Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.

31. Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 14