Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 12:7-23 Malagasy Bible (MG1865)

7. Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.

8. Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.

9. Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.

10. Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;

11. Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.

12. Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona.

13. Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.

14. Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.

15. Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.

16. Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.

17. Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.

18. Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.

19. Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.

20. Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.

21. Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.

22. Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.

23. Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 12