Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 12:20-28 Malagasy Bible (MG1865)

20. Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.

21. Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.

22. Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.

23. Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.

24. Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.

25. Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.

26. Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.

27. Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.

28. Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 12