1. Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2. Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3. Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
4. Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
5. Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
6. Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
7. Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.
8. Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9. Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10. Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
11. Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
12. Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona.
13. Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.