Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 10:19-29 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.

20. Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.

21. Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.

22. Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.

23. Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.

24. Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.

25. Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.

26. Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.

27. Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.

28. Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.

29. Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 10