Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 10:12-23 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.

13. Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.

14. Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.

15. Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.

16. Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.

17. Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.

18. Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.

19. Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.

20. Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.

21. Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.

22. Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.

23. Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 10