Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 1:25-32 Malagasy Bible (MG1865)

25. Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:

26. Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.

27. Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,

28. Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.

29. Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,

30. Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,

31. Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.

32. Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 1