Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 1:2-16 Malagasy Bible (MG1865)

2. Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;

3. Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;

4. Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.

5. Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;

6. Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.

7. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.

8. Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;

9. Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.

10. Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.

11. Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;

12. Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;

13. Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;

14. Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:

15. Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;

16. Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 1