Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 9:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany.

19. Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.

20. Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany.

21. Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.

22. Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.

23. Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 9