Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:83-87 Malagasy Bible (MG1865)

83. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.

84. Ireo no zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;

85. sekely telo-polo amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;

86. lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.

87. Ny isan'ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota.

Vakio ny toko manontolo Nomery 7