Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:76-82 Malagasy Bible (MG1865)

76. osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

77. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.

78. Ary tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i Naftaly, no nanatitra.

79. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

80. lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

81. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;

82. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7