Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:63-76 Malagasy Bible (MG1865)

63. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;

64. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

65. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.

66. Ary tamin'ny andro fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no nanatitra.

67. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

68. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

69. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

70. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

71. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.

72. Ary tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i Asera. no nanatitra.

73. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

74. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

75. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

76. osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7