50. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
51. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
52. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
53. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
54. Ary tamin'ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no nanatitra.
55. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
56. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
57. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
59. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
60. Ary tamin'ny andro fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no nanatitra.
61. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
62. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
63. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
64. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;