Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:49-57 Malagasy Bible (MG1865)

49. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

50. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

51. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

52. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

53. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.

54. Ary tamin'ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no nanatitra.

55. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

56. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

57. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7