Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:42-50 Malagasy Bible (MG1865)

42. Ary tamin'ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.

43. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

44. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

45. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

46. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

47. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.

48. Ary tamin'ny andro fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no nanatitra.

49. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

50. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7