Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:35-43 Malagasy Bible (MG1865)

35. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.

36. Ary tamin'ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no nanatitra.

37. Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

38. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

39. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

40. ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;

41. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,

42. Ary tamin'ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.

43. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7