Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:21-30 Malagasy Bible (MG1865)

21. ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

22. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

23. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.

24. Ary tamin'ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no nanatitra.

25. Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

26. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

27. vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

28. ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;

29. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.

30. Ary tamin'ny andro fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no nanatitra.

Vakio ny toko manontolo Nomery 7