Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:2-15 Malagasy Bible (MG1865)

2. dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

3. Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.

4. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

5. Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.

6. Dia noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.

7. Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;

8. ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany, eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.

9. Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

10. Dia ny lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.

11. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.

12. Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba, avy tamin'ny firenen'i Joda.

13. Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

14. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

15. ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7