Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:13-20 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

14. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

15. ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;

16. ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;

17. ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.

18. Ary tamin'ny andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra.

19. Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

20. lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;

Vakio ny toko manontolo Nomery 7