Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 7:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,

2. dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

3. Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.

4. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

5. Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 7