Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 6:18-27 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.

19. Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.

20. Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.

21. Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.

22. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

23. Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:

24. Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;

25. Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

26. Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.

27. Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 6