Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 5:9-22 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

10. Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

11. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

12. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,

13. fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;

14. kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;

15. dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

16. Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;

17. dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;

18. ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;

19. dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;

20. fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,

21. dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;

22. ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.

Vakio ny toko manontolo Nomery 5