Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 33:8-24 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.

9. Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.

10. Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.

11. Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.

12. Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.

13. Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.

14. Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.

15. Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.

16. Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.

17. Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.

18. Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.

19. Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.

20. Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.

21. Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.

22. Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.

23. Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.

24. Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.

Vakio ny toko manontolo Nomery 33