Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 32:36-42 Malagasy Bible (MG1865)

36. sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.

37. Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima

38. sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.

39. Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

40. Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.

41. Ary Jaira, zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaira.

42. Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 32